Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 10 aogositra 2024 ny fifaninanana nasionaly ara-panatanjahantena iraisan'ny mpiasam-panjakana na ASIEF 2024, izay tanterahina any Antsirabe ny 05 hatramin’ny 18 aogositra 2024. Nanatrika izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa mpisolo toerana, Pr RAVOKATRA Fidiniavo.

Manana solontena mandray anjara amin’ny taranja samihafa ihany koa ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa sy ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy Fidiovana. Tanjon’ny hetsika ny fahasalamana sy ny firaisankinan'ny mpiasam-panjakana ary hanomezan-danja ny soatoavina malagasy.