Niara-nisalahy tao Toliara ny 17 aprily 2026 ireo Minisitra telo misahana ny fanabeazana eto Madagasikara :

- Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa,

- Ramatoa RAJAONARISON Sendra Nirina, Minisitry ny Fanabeazam-pirenena,

- Dr ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana Arak’asa.

Nijery ifotony ireo Oniversite, sekolim-panjakana ary lisea teknika tao an-toerana izy ireo, mba hanombanana ny zava-misy sy hanamafisana ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana.

Nasongadin’ireo Minisitra fa zava-dehibe ny fiaraha-mientana sy ny fifanohanana eo amin’ireo Ministera telo amin’ny fanatanterahana ny drafitra nasionaly ho an’ny fanabeazana (Plan Sectoriel de l’Éducation). Tanjona amin’izany ny hanavaozana sy hanatsarana hatrany ny rafitra fampianarana, ho enti-manangana taranaka mahay sy mifaninana.