Notontosaina teny amin’ny « Grand Amphithéâtre » EGS Ankatso ny 26 jolay 2024 ny lanonana famoahana ny andiany nahavita fianarana Master « Économie de l’Energie, des Ressources stratégiques et du Pétrole » (E2-PRS) ao amin’ny lalam-piofanana Toekarena, Fakiolten’ny Toekarena, Fitantanana ary Haifiarahamonina. Andiany voalohany ao amin’io lalam-piofanana io ireto mpianatra nahazo mari-pahaizana ireto, miisa 35 izy ireo ary misalotra ny anarana « TARATRA » na TAnora ho Reharehan’ny Angovo sy ny Toekarena RAhatrizay.

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana ny Ministry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana sady Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa mpisolo toerana, Pr RAVOKATRA Fidiniavo. Nomarihany fa tena ilain’ny firenena io lalam-piofanana io mba hamadihana ny takobo-karena ho lasa harena ho an'ny isam-batan'olona.

Nidera ny fahombiazan’ireo mpianatra ny tenany ary nanentana azy ireo hampihatra ny fahaiza-manaony amin’ny asa ho avy sy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena. Izy ireo rahateo no ho mpitarika rahampitso ka amporisihana handray andraikitra bebe kokoa. Nankasitraka manokana ireo mpampianatra mpikaroka, mpanabe ihany koa Andriamatoa Minisitra, noho izy ireo namolavola ireto tanora nahavita fianarana ireto.