Mizotra am-pilaminana amin’ny ankapobeny ny fanadinana Bakalorea manerana an’i Madagasikara, izay nanomboka androany 22 jolay 2024.
Mpiadina miisa 218 359 no nisoratra anarana manerana ny Nosy. Ny taranja Filozofia no nanombohana ny adina ka nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny laza adina teny amin’ny EPP Avaradoha, tamin’ny 7ora sy sasany maraina ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa mpisolo toerana, Pr RAVOKATRA Fidiniavo.
Nandritra ity fitsidihana ity no nankasitrahany ireo mpisehatra rehetra amin’ny fandavan-tena sy fiaraha-mientana ho fandavorariana ny fanadinana. Nirary soa ireo mpiadina ihany koa ny Minisitra mpisolo toerana hahatanteraka hatramin’ny farany ny fanadinana.