Ao anatin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny asa amin'ny Tsenambaro-panjakana dia nahazo fiofanana avy amin'ny Autorité de Régulation des Marchés Publics (ARMP) ny mpiasa ao amin'ny Tsenambaro-panjakana amin'ny Fonds Commun de l’Éducation (PRMP-FCE) eto amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, tarihin'ny PRMP-FCE Andriamatoa ANDRIAMIHAJANIAINA Samson Willy, ny 27 martsa 2026 tao amin'ny Bâtiment DGRS Tsimbazaza.
Tanjona ny ahafahana mifehy ny asa manaraka ny lalàna sy hampitomboana ny traikefa efa ananana ary hijerena ireo mety ho lalàna vaovao na zava-baovao mifandraika amin'ny tsenambaro-panjakana. Eo ihany koa ny fahafahana mahazo ny fahatokisan'ny mpiara-miombon'antoka ara-bola (AFD), fepetra ahafahana mamita ireo tetikasa eo anivon'ny Minisitera.
Niatrika ny fiofanana ny mpikambana dimy ao amin'ny "Unité de Gestion de Passation des Marchés" (UGPM) sy ny mpikambana efatra ao amin'ny "Commission d'appel d’Offres" (CAO). Tonga nanatrika ihany koa ny solontena iray avy amin'ny "Agence Française de Développement" (AFD).