Tontosa ny 18 Martsa 2026 tao amin'ny CNRIT Fiadanana, ny fifanaovan-tsonia teo amin'ny Talen'ny “Centre National de Recherches Industrielle et Technologique”, Dr RANDRIANIRAINY Huchard Paul Berthin sy ny Talen'ny “École Doctorale Thématique Diversité et Développement Durable” ao amin'ny Oniversiten'i Toamasina, Pr DAHY Ioclin.
Tanjona ny hanamafisana ny fifampizarana fahaiza-manao eo amin'ny andaniny sy ny ankilany. Hisy mpampianatra hanome fampianarana avy ao amin'ity Sekoly Doktoraly ity ary hisy ny mpianatra hiandraiketan’ireo mpampianatra mpikaroka hanao fampiharana hampiasana laboratoara. Manana Sekoly Doktoraly 4 sy mpampianatra mpikaroka maromaro ampy traikefa ny École Doctorale Thématique 3D Toamasina, izay havanana amin'ny fampitana fahalalana ary efa misy ny mpianatra manao laboratoara ao amin'ny CNRIT.
Hiitatra amin'ny tetikasa hafa ny fiaraha-miasa. Nampahafantatra ny Talen'ny École Doctorale Thématique 3D ao amin'ny Oniversiten'i Toamasina, fa hisy ny "Séminaire Méthodologique" karakarain'izy ireo any an-toerana ny 27 Martsa 2026 izao. Hanasana ireo mpampianatra mpikaroka rehetra, hifanakalo hevitra hampiharana ny fitoviam-pijery.