Notanterahina teto fiadanana ny 12 martsa 2026 ny "Conférence des Présidents des Universités (CPU) élargie" mivantana sy ampitain-davitra niarahan’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala tamin’ireo Filohan’ny Oniversite sy Oniversitem-paritra manerana ny Nosy, ireo Tale Jeneralin’ny IST, ireo lehibena sampam-pianarana sy Tompon'andraikitra isan-tsokajiny eny anivon'ny Fampianarana ambony.

𝐋𝐨𝐡𝐚𝐡𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐨𝐦𝐚𝐫𝐨 𝐧𝐨 𝐧𝐨𝐝𝐢𝐧𝐢𝐡𝐢𝐧𝐚 :

𝟏- 𝐓𝐞𝐭𝐢𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐦-𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐎𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞

Hotanterahina any amin’ny Oniversiten’ Itasy ny 13 martsa 2026 ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2025–2026. Vinavinaina hifarana amin’ny volana Novambra 2026 amin'ny ankapobeny ny taom-pianarana.

𝟐- 𝐕𝐚𝐭𝐬𝐢𝐦-𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐬𝐨𝐫𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚

Efa nifarana ny fisoratana anarana ary efa nahavita ny “Commission de bourse” ny ankamaroan’ireo Oniversite. Nohamafisina fa ireo mpianatra misoratra anarana ara-dalàna ihany no mahazo vatsim-pianarana, ary vatsim-pianarana iray ihany no azon’ny mpianatra iray raisina na dia mianatra amin’ny Oniversite maro aza. Hirosoana tsikelikely ihany koa ny fampiharana ny “bourse d’excellence”, ho fanohanana ireo mpianatra mendrika sy mampiseho fandrosoana eo amin’ny fianarany.

𝟑- "𝐇𝐚𝐛𝐢𝐥𝐢𝐭𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧" 𝐬𝐲 "𝐀𝐜𝐜𝐫𝐞́𝐝𝐢𝐭𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧"

Nampahatsiahivina fa dimy taona ihany no faharetan’ny "Habilitation". Entanina ireo toeram-pampianarana ambony rehetra hanatanteraka na hanavao ara-potoana ny fangatahana fankatoavana ananany, ho fanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana. Etsy ankilany, hanamafy ny fanamorana ny fomba fiasa sy hanafaingana ny fikirakirana ny antontan-taratasy ny Minisitera, saingy ho hentitra ny fanaraha-maso ny fanajana ireo fepetra takiana. Ho an’ireo efa nahazo fankatoavana nefa mbola tsy nahazo ny “arrêté”, dia afaka manome "attestation" azy ireo ny Minisitera.

𝟒- 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐁𝐚𝐤𝐚𝐥𝐨𝐫𝐞𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔

Hifarana ny 27 martsa 2026 ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinana Bakalorea, ka entanina ny rehetra tsy hiandry ny fe-potoana farany. Azo atao eny anivon’ny CSB II ihany koa ny “visite médicale” ho an’ireo mpiadina. Ny volana Aprily kosa no fe-potoana farany handefasana fangatahana fanokafana ivotoeram-panadinana vaovao, ary ireo mahafeno ny fepetra takiana ihany no ekena.

𝟓- 𝐒𝐚𝐦𝐢𝐡𝐚𝐟𝐚

- Noresahana ny kalitaon’ny fanoratana « mémoire », ka nentanina ny Oniversite hametraka rafitra fanaraha-maso manoloana ny fampiasana ny Ilon-tsaina Artifisialy (IA).

- Eo amin’ny lafiny politika anatiny, hisy politika momba ny “inclusivité sy genre” hapetraky ny Ministera. Entanina ny Oniversite hanangana ivotoerana handraisana fitarainana sy hampahafantarana ny mpampianatra sy ny mpianatra ny zony. Hiaraha-midinika ny taratasy fanekena momba izany.

- Farany, eo amin’ny sehatry ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena, dia hotanterahina aorian’ny fanadinana Bakalorea ny UNIVERSIADE, izay hatao any Toamasina.