Tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana ny fanatobiana nomerika ary tanjona ihany koa ny fampiroboroboana ireo Oniversite manakaiky vahoaka. Ao anatin’izay fampivoarana an’i Madagasikara amin’ny sehatra nomerika izay dia nanolotra « tablettes » 100 ho an’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny eo anivon’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana sy fanovàna ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra teny Antaninarenina, ny 09 jolay 2014.

Nandray ireto fitaovana ireto nisolotena an’Andriamatoa Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa mpisolo toerana, Pr RAVOKATRA Fidiniavo ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera, Pr SALAVA Julien.

Entina hikarakarana sy hanatanterahana ny fanadinam-panjakana Bakalorea 2024 indrindra eo amin’ny lafiny fiarovana na « sécurisation » ireo fitaovana ireto ary hisitraka izany ihany koa ireo Oniversite manakaiky vahoaka. Fisaorana sy fankasitrahana no natolotry ny Ministera amin’izao tantsoroka izao, izay inoana fa tena hanampy betsaka amin’ny filàna ho fanatsarana ny fomba fiasa indrindra amin’ny fanatontosana an-tsakany sy andavany ny fanadinana Bakalorea.