Nitafa mivantana tamin'ireo mpianatra tao Barikadimy ny Solontenan'ny Banky Iraisampirenena eto Madagasikara, Andriamatoa ATOU Seck ny 7 martsa 2026.

Tsy nisy nandrimbinana fa voavaly avokoa ny fangatahana nataon'ny Oniversite amin'ny fanarenana ny fotodrafitrasa.

Hamoraina ny fikarakarana ny famoaham-bola ary hanomboka avy hatrany ny asa aorian’izany.

Mandritra ny enimbolana dia hametraka “borne wifi” sy toerana hamahanana finday sy solosaina eny amin'ny Oniversite ny Banky Iraisampirenena ho tantsoroka amin'ny fikarakarana sy ny fitohizan'ny fianarana.

Hisy komity hiarahan'ny Minisitera, ny Oniversite, ny mpampianatra sy ny mpianatra, hanara-maso sy handrindra ny asa rehetra.

Maneho fankasitrahana feno ho an’ ny Solotenan'ny Banky Iraisampirenena ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy sy ny Fianakaviamben’ny Oniversiten'i Toamasina amin’ny fihainoana sy fanohanana ny fiaraha-mientana ho an'ny Oniversiten’i Toamasina manoloana ny loza voajanahary.