Ao anatin’ny fanomanana ny fanadinana Bakalorea dia tonga nitsidika ny Ivon-toeram-panadinana ao amin’ny Disitrikan’i Manjakandriana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa mpisolo toerana, Pr RAVOKATRA Fidiniavo ny 07 jolay 2024.
Nanome toromarika ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana bakalorea ny tenany. Singa iray lehibe hampirindra ny fanatanterahana ny fanadinana ny fijerena ny fotodrafitrasa sy ireo efitranom-panadinana handraisana ireo mpiadina.
Ho an’ny Distrikan’i Manjakandriana manokana dia Foibem-panadinana telo no nosafidiana, nohon’ny hamaroan’ireo mpiadina raisina isaka ny efitranom-panadinana. Hita ary tsapa ny fahavononan’ny tompon’andraikitra rehetra ao ary mirindra tanteraka ny fiaraha-miasan’ny rehetra.
Bakalorea tsy misy tomika no tanjona, miara-misalahy ny rehetra amin’ny fanatanterahana izany.