Miezaka mijery vahaolana amin'ny fanatsarana rehetra ny ministera
Nitsidika ny Ivontoeram-pampianarana Ambony momba ny Teknolojian’Antananarivo na IST eny Ampasapito ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, androany 05 martsa 2024. Fotoana nahafahana nijery ireo fotodrafitrasa sy nihainoana ny olana eo anivon'ny mpampianatra, ny mpandraharaha ary ny mpianatra.
Nampahafantarina nandritra ity fotoana ity ny vinan'ny Ministera ao anatin'ny politika ankapoben'ny fanjakana sy ny asa atao ao anatin’ny100 andro. Taorian’izay dia nijery ireo laboratoara izay vao nahazo famatsiana fitaovana avy amin'ny tetikasa maro Andriamatoa Minisitra.
Miisa 1500 ireo mpianatra eo anivon'ity ivon-toeram-pampianarana Ambony ity, ary ahitana mpampianatra raikitra 70 sy mpampianatra an-tselika 100 eo ho eo.