Notanterahina ny 27 febroary 2026 tao amin'ny Oniversiten'Antananarivo ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin'ny Filohan'ny Oniversiten’Antananarivo, Pr RANDRIANASOLO Rivoarison sy ny Mpandrindra Nasiônalin'ny "Centre National des Œuvres Universitaires" (CNOU), Andriamatoa ANDRIANTSITOHAINA Tefy Miarantsoa , hanatsarana ny fitantanana ny "Campus Universitaire" sy hamerenana ny hasin’ny Anjerimanontolo.
Ny tanjona amin’izao fifanarahana izao dia ny fampiharana ny rijanteny sy ny lalàna efa misy momba ny toeram-ponenan’ny mpianatra sy ny Oniversite. Mifameno ireo rantsana roa ireo, ka ilaina ny fandrindrana matotra ny asan’ny Fitantanan-draharaha mba hiantohana ny filaminana sy ny fandriampahalemana.
Mandray anjara feno amin’izany ihany koa ny mpianatra. Ity fiaraha-miasa ity dia miroso tsikelikely amin’ny fanavaozana ny paikady rehetra hahafahana miantoka ny tontolo iainana mendrika sy ny fanaran-dalàna eny anivon'ny "Campus".