Tontosa ny 23 sy 24 febroary 2026 tao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa ny atrikasa nasionaly ho fanomanana ny fanadinam-panjakana Bakalorea 2026 izay mikendry ny hanatsarana ny kalitao sy hiantohana ny fiarovana ny fanadinana Bakalorea.
Ity atrikasa ity dia nifantoka tamin’ny fifampizarana traikefa sy fanofanana momba ny fikirakirana ny rindrambaiko sy ny "base de données". Nasaina manokana tamin'izany ireo Tale misahana ny fanadinana Bakalorea amin’ireo renivohim-paritany sy Faritra (DOB/DEN), ireo manam-pahaizana momba ny haitao ara-kajy mirindra ary ireo tekinisianina mpikirakira ny rindrambaiko.
Fotoana ihany koa izay nanoloran’ireo injeniera sy mpampianatra-mpikaroka avy ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa ny rindrambaiko fikirakirana ny fanadinana Bakalorea ho fananan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
Nitarika ity fotoana ity ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony, ny Pr RAHERINIRINA Angelo, niaraka tamin’ny Talen’ny Fampianarana Ambony sy ny Mpandrindra ny Ady amin'ny Kolikoly eo anivon’ny MESUPRES.