"Fakiolten’ny Siansa miara-miasa, miara-mandroso".
Notontosaina ny 05 jolay 2024, teny Ankatso ny lanonam-pamaranana ny faha 60 taona nijoroan'ny Fakiolten'ny Siansa ao amin'ny Oniversiten’Antananarivo, izay niorina ny 14 jolay 1961. Tonga nanome voninahitra izany lanonana izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa mpisolo toerana, Pr RAVOKATRA Fidiniavo, ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr RANDRIAMANANTANY Zely Harivelo ary ireo mpikambana ao amin'ny mariboninahim-pirenena.
Nandritra ny lanonana no nanolorana mari-boninahitra ho an'ireo mpampianatra sy mpandraharaha 144 nahavita be teo anivon'ny Fakiolte ka sivy ireo nahazo ny "Grand-Croix de 2ème classe de l'Ordre National", 70 ireo notolarana ny "Grand Officier de l'Ordre National", 21 nomena ny "Commandeur de l'Ordre National Malagasy", 18 ny "Officier de l'Ordre National Malagasy" ary 26 ny "Chevalier de l'Ordre National Malagasy".
Manana anjara toerana lehibe eo amin'ny fampandrosoana ny firenena ny asa fikarohana izay imasoan'ny tontolon'ny fampianarana ambony, antony iray hanomanana dieny izao ireo ainga vao entina miatrika ny 60 taona manaraka toy ny fanomanana sahady ireo fanavaozana fotodrafitrasa hanaraka ny fenitra kokoa.
Nomarihana tamin’ny hetsika samihafa ny fankalazana ary nisongadina tamin'izany ny fitokanana fotodrafitrasa toy ny "jardin connecté" izay ahafahan'ny mpianatra manao fikarohana, ny fametrahana ny vato fototra hananganana efitrano miisa 18, izay tetik’asan' Andriamatoa Filoham-pirenena.