Manamafy hatrany ny andraikiny amin’ny fampiroboroboana ny fikarohana izay mitondra vahaolana mivantana ho an’ny fiainan’ny vahoaka ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES). Vaindohan-draharahan'ny Minisitra, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy ihany koa ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny fikarohana sy ny filàn’ny fiaraha-monina.
Ny 17 febroary 2026 dia niara-nidinika tamin’ny ekipa tekinika momba ny rano teny amin’ny JIRAMA Mandroseza ny delegasiona mpikaroka avy amin’ny MESUPRES, izay notarihin'ny Tale Jeneralin'ny Fikarohana Ara-tsiansa, niaraka tamin'ny Tale sy mpikaroka avy amin'ny Ivon-toeram-pikarohana sy avy ao amin'ny Sekoly Ambony Polytekinika an'Antananarivo (ESPA) - Vontovorona.
Nojerena ifotony nandritra ity fihaonana ity, ny zava-misy sy ny olana ary ny tetikasa eo anivon'ny JIRAMA mba ahafahan'ireo mpikaroka mitondra fanatsarana amin'ny kalitaon’ny rano sotroin’ny vahoaka sy manolotra tetikasa maharitra ho an’ny famatsiana rano.