Tonga nitsidika ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa mpisolo toerana, Pr RAVOKATRA Fidiniavo teto Fiadanana ny delegasiona avy amin’ny Royal Botanic Gardens Kew, ny 03 jolay 2024.
Votoatin’ny fitsidihana ny hanaovana ny asa fikarohana ho fampandrosoana ifotony, ny fiarovana ny tontolo iainana sy ireo harena voajanahary ananan’i Madagasikara. Voaresaka ihany koa ny fampivelarana ny fiaraha-miasa amin’ny fikajiana ireo sehatra ireo indrindra eo amin’ny lafiny fampianarana ambony sy ny fikarohana. Hisy araka izany ny fampiofanana iarahan’ireto mpiara-miombon’antoka ireto amin’ny mpikaroka malagasy.
Nanamafy Andriamatoa Minisitra fa ny fiaraha-miasa toy izao no ahafahana mampivelatra sy manafaingana ny asa fikarohana mba tena ho fanoitra ampiharina amin’ny fampandrosoana ny firenena. Efa hatramin’ny taona 1986 rahateo no nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta.
Ny 02 jolay 2024 lasa teo dia nanolotra ny medaly « the Williamaiton » ho an’i Dr RAKOTONASOLO Franck, mpikaroka ao amin’ny valanjavaboary Tsimbazaza (PBZT) sady Malagasy voalohany nahazo ity mari-pankasitrahana ity, ny Royal Botanic Gardens Kew.