Nanatontosa hetsika fanadiovana faobe ny trano fonenan'ny mpianatra ivelany sy anatiny ary ny tokotanibe ireo mpianatry Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona ny 19 jona 2024. Nampiavaka ity hetsika tanamaro ity ny fiaraha-mientan’ireo mpianatra sy ny tantsoroka avy amin’ny tompon’andraikitra samihafa.

Nanome tanana nanampy azy ireo nandefa solontena sady nanome fitaovana ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny mpandraharaha avy ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Nanome tantsoroka ihany koa ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, ny SMA (Société Municipale d’assainissement) ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Nankasitraka ny firaisankina nasehon’ny rehetra sy ny fanohan’ireo Ray aman-dreny mpiahy sy mpisehatra hafa ny solontenan'ny mpianatra. Misy ny tetik'asa fanodinana ny fako ho lasa angovo azo havaozina hokarakarain’izy ireo, izay iarahana amin'ireo mpianatra mandalina ny tontolo iainana izay hitondran'ny Ministera mpiahy tantsoroka hatrany.

Tanjona ny hitandro ny fahadiovana sy hiaro ny tontolo iaianana eny anivon’ny Oniversite ka irariana mba hifanohana sy hifanampy toy izao hatrany ireo mpisehatra indrindra fa ireo mpianatra izay tonga maro be.