𝑍𝑎𝑣𝑎-𝑑𝑒ℎ𝑖𝑏𝑒 ℎ𝑜 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑠𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑖ℎ𝑎𝑣𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑓𝑖𝑟𝑎𝑖𝑠𝑎𝑛-𝑘𝑖𝑛𝑎.
Tantara vaovao no nosoratana tamin’ny fanaovan-tsonia fifanarahana mba hisian'ny fandriam-pahalemana teo amin'ny ny solontenan’ny mpampianatra, mpandraharaha ary ireo Filohan'ny Fikambanan'ny Mpianatra Rezionaly ao amin'ny Oniversiten'Antsiranana ny 06 janoary 2026.
Nanatrika izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy sy ny Filohan'ny Oniversiten'Antsiranana, Pr KALL Briant.