Tonga nanatanteraka fidinana ifotony tampoka, nanatrika ny adina ara-panatanjahantena teny amin'ny kianjan’Alarobia ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa mpisolo toerana, Pr RAVOKATRA Fidiniavo ny 14 jona 2024. Nijery ny fanatanterahana ireo fandaminana izay napetraka ary nankahery ny mpiadina sy ireo tompon'andraikitra izay manatanteraka izany ny tenany.

Taranja telo toy ny mahazatra no iadinana dia ny taranja iombonana, ny taranja ataon’ny tsirairay ary ny hazakazaka hafainganampandeha. Mpianatra 8.833 no miadina ao amin’ny foibem-pananadinana Kianjan’Alarobia, ahitana mpanadina 18. Ny 10 hatramin'ny 21 jona no iatrehana izany raha ho an’Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano sy Ambohidratrimo raha ny 21 mey hatramin’ny 07 jona 2024 ho an’Antsirabe, Itasy, Bongolava ary ny Distrika hafa manodidina an’Analamanga. Ny 11 mey lasa teo no notanterahina ny adina lomano. Toy ny fanadinana rehetra dia tsy maintsy atrehin’ireo mpiadina ny adina fanatanjahantena koa entanina izy ireo haka ny taratsy fiantsoana.

Koa satria zava-dehibe eto amin’ny firenena ny fanadinam-panjakana bakalôrea dia manome tantsoroka ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ireo Ministera samihafa mba hampirindra izany antsakany sy andavany. Misy ireo fiara mpitondra marary napetraka sy mpitsabo manotrona isaka ny toeram-panadinana, fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ireo mpitandro filaminana kosa miantoka ny fandriampahalemana. Ireto avy ireo toeram-panadinana voakasik’izany : Kianjan’Alarobia, Ankatso, Saint-Michel Amparibe, ANS Ampefiloha, Saint-Michel Itaosy ary Ambohidratrimo.