Natomboka tamin’ny fambolen-kazo ho vato fehizoro, ny fikolokoloana ireo zava-maniry maitso ary ny fandokoana ireo fotodrafitrasa ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny Valan-javaboahary Tsimbazaza (PBZT).
Niara-nientana tamin’ny fanatanterahana izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy sy ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana Ramatoa Vololoniaina Lucie, notronin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy amin’ireo Ministera roa tonta ary ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny PBZT notarihin'ny Taleny Dr HDR LETSARA Rokiman.
Ny taona 1925 no nijoro tamin’ny fomba ofisialy ity valan-javaboahary ity, izay isan’ireo ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny MESUPRES, natao ho fikajiana sy fiarovana ireo zava-maniry sy biby tandindonin-doza, sady toerana fikarohana, fampirantiana ary fandraisana mpitsidika.
Manamafy ny fanoloran-tenan'ny Fitondram-panjakana amin’ny fanatsarana sy fanavaozana ny toerana ireo Ministera ankehitriny, ary mijery ny fomba hikojakojana ny Valan-javaboahary ho an’ny 100 taona manaraka.