Adidy ara-tsosialy sy fototra stratejika amin’ny fanarenana sy fanorenena indray ny firenentsika ny fanabeazana mampiaty ho an'ny Fitondram-panjakana.

Natao sonia nandritra ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an'ny fanabeazana mampiaty, teny amin’ny Carlton Anosy, ny tahirin-kevitra mirakitra ny paikady entina manatanteraka ny fahombiazan’ny fampiatiana eto Madagasikara ny 22 desambra 2025.

Nanao sonia izany ireo Minisitra telo misahana ny fanabeazana eto Madagasikara dia ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Dr HANITRINIAINA Elys Karena ary ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arakasa Andriamatoa TSILEFA Antonio.

Hampiharina eto Madagasikara manomboka ny taona 2026 ary haharitra mandritry ny dimy taona ny sahan'asa ka iarahana amin’ny mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka maro.

Ny fanabeazana mampiaty dia fanabeazana mamaly ny filan'ny tsirairay ahafahany mianatra araka ny tokony ho izy ary voakasik’izany avokoa manomboka amin'ny fanabeazana fototra ka hatreny amin’ny Anjerimanontolo.