𝑉𝑎𝑖𝑛𝑑𝑜ℎ𝑎𝑛-𝑑𝑟𝑎ℎ𝑎𝑟𝑎ℎ𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑡𝑜𝑛𝑑𝑟𝑎𝑚-𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑟𝑜𝑏𝑜𝑟𝑜𝑏𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦.
Ny 19 Desambra 2025, notokanan'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy ny Centre Universitaire Vatovavy, "annexe" ny Oniversiten'i Fianarantsoa, ho an'ny tanora Malagasy te handratro fianarana ambony ao amin’ny Faritra Vatovavy.
Ny Oniversiten’i Fianarantsoa amin’ny alalan’ny Institut des Sciences et Techniques de l'Environnement (ISTE) no nahafahana nanokatra ity lalam-piofanana ity ka sampam-pianarana telo izay azo antoka fa mamaly ny filàn’ny Faritra toy ny fizahantany, ny fambolena sy fiompiana ary ny tontolo iainana, no hita ao.
Raha mbola mampiantrano ity "annexe" ity ny ao Marovahy kaominina Tsaravary ankehitriny dia nilaza kosa ny Minisitra fa hampidirina amin'ny tetibola asiam-panitsiana (LFR) 2026 ny fananganana fotodrafitrasa manokana ao Mananjary.
Nanome voninahitra ity lanonana ity Ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena sy ireo olo-manan-kaja maro ao an-toerana.