Zava-dehibe amin’ny Fitondram-panjakana ny fanomezan-danja ny tanora sy ny mpianatra ary laharam-pahamehan'ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny fanofanana manam-pahaizana hitondra fampandrosoana ho an'ny Firenena.

Maro ireo manam-pahaizana navoakan’ny Oniversite tato anatin’ny iray volana. Notanterahina ny 18 Desambra 2025 ny fizarana mari-pahaizana ho an’ny andiany MAZAVA (Licence) sy RENIALA (Master) avy ao amin’ny sampam-pianarana EGS, lalam-piofanana Fitantanana ao amin'ny Oniversiten'Antananarivo.

Nanatrika izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy izay nankasitraka ireo mpampianatra sy mpianatra tamin'ny ezaka natao ka nahatongavana amin'izao dingana izao ary nantitranteriny hatrany fa ny fahalalam-pomba sy fahaiza-miaina no fototra iorenan’ny fahalalana, ary izany no hitarika ny mpianatra ho amin’ny fahombiazana sy ny tanjona ambony kokoa.