Anisan’ny fototra iorenan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’ny Madagasikara ny fanatsarana ny fanabeazana sy ny fampianarana.
Mandritra ny roa andro, ny 18 sy 19 Desambra 2025 dia mandray anjara amin’ny « Revue sectorielle thématique annuelle », eny amin’ny Carlton Anosy ireo Ministera telo misahana ny fanabeazana eto Madagasikara, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny UNICEF.
Nanatrika ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Dr HANITRINIAINA Elis Karena ary ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arakasa Andriamatoa TSILEFA Antonio izay nanolotra ny lahateny fanokafana.
Votoatin’ny fivoriana ny hananganana ny drafitra mifanaraka amin’ny Politikan’ny Fanavaozana napetraky ny Fitondram-panjakana. Hojerena ihany koa ny fanatanterahana ireo drafitr'asa iadidian'ny PNPSE, ny fampiharana ny lalàna mikasika ny fanabeazana eto Madagasikara (LOSEM), ny tombana sy fanavaozana ny Politika mikasika ny mpampianatra, ary ny fandrafetana ny tondro-zotra ho an'ny PSE II.
Mitana andraikitra lehibe amin’ny fandrindrana izany ny « Plateforme Nationale pour le Pilotage du Secteur de l'Education » (PNPSE).