Namaly ny fanontanian’ireo Solombavambahoaka ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra RAJAONARIVELO Herintsalama ny 18 desambra 2025.

Nitondra ny valim-panontaniana manandrify ny Ministera izay sahaniny ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.

Marihina fa ny 15 desambra sy 16 desambra 2025 no nametrahana ireo fanontaniana tao amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza.