Lanonana roa goavana no natao tao Soavinandriana ny 15 desambra 2025. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Oniversiten’Itasy, ary notanterahina ihany koa ny famoahana ny andiany mpianatra FANANTENANA 2024-2025.

Izao hetsika izao dia tafiditra anaty vina sy laharam-pahamehan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara izay manandratra sy manatsara ny lafiny fanabeazana sy fampianarana eto Madagasikara.

Notokanana nandritra izany ireo fotodrafitrasa maro tao amin'ny Oniversite toy ny : Radio de l’Université de l’IItasy (RUDI 92.6), laboratoire d’Informatique et de Télécommunication, laboratoire de langues, laboratoire de mécanisation agricole, biraon’ny office du baccalauréat, trano fonenan’ny mpianatra, ny Centre Médico Social, efitrano fianarana sy fanohanan-kevitra, trano famakiamboky, laboratoire de l’Eau et de Transformation Agroalimentaire, Amphithéâtre.

Nisolotena ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël ny Mpanolon-tsaina Avo eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Andriamatoa ZAFITASONDRY Marcellin niaraka tamin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy sy ny Filohan'ny Oniversiten'Itasy Pr RANDRIANJA Roger.

Nohamafisin'i Minisitra fa vonona hiara-hiasa sy hanohana ny Oniversite ahafahany mampita fahalalana ny Minisitera. Porofo mivaingana amin'ny firosoana amin’ny fanavaozana sy ny fitsinjaram-pandrosoana ara-drariny ataon'ny Fitondram-panjakana ny fametrahana fotodrafitrasa maro.

Ahitana lalam-piofanana efatra, Mentions 16 ary Parcours 20 izay mamaly ny filan’ny toekarena sy ny faritra ny ao amin’ny Oniversite Soavinandriana Itasy.