Ny fikarohana ara-tsiansa dia ivon’ny fampandrosoana ary laharam-pahamehana ho an’ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël, ny fanohanana sy fampiroboroboana azy.

Nandritra ny diany tao amin’ny Oniversiten’i Toliara, dia nitsidika ny "Laboratoire Bio Plastique" sy ny Tranombakoka Dr Harinaivo RABESANDRATANA ao amin’ny Institut Halieutique et des Sciences Marines (IHSM) ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny 12 desambra 2025.

Ao amin’ny "Laboratoire Bio Plastique" no anaovana fitsapana sy fanadihadiana momba ny famokarana plastika avy amin’ny lomotra an-dranomasina. Ity fikarohana ity dia mikendry ny hanomezana vahaolana maharitra ho an’ny tontolo iainana, ny fampihenana ny fako plastika ary heverina ho afaka hiteraka tsenam-barotra vaovao eto amin’ny firenena.

Ny Tranombakoka Rabesandratana kosa dia mampiranty karazana biby sy zavamaniry an-dranomasina maro izay manasongadina ny harena sy ny fahasamihafan’ny zavamananaina an-dranomasina eto Madagasikara.