𝐹𝑒𝑡𝑦 𝑙𝑒ℎ𝑖𝑏𝑒 𝑡𝑒𝑙𝑜 𝑠𝑜𝑠𝑜𝑛𝑎 𝑛𝑜 𝑛𝑎𝑛𝑎𝑚𝑎𝑟𝑖𝑘𝑎 𝑛𝑦 𝑂𝑛𝑖𝑣𝑒𝑟𝑠𝑖𝑡𝑒𝑛’𝑖 𝑇𝑜𝑙𝑖𝑎𝑟𝑎 𝑛𝑦 12 𝑑𝑒𝑠𝑎𝑚𝑏𝑟𝑎 2025

Notanterahina tao amin'ny Amphi Jean Ferlini Maninday Toliara ny lanonana ofisialy nametrahana tamin’ny toerany ny Filohan'ny Oniversite vaovao, Dr VERIZA Roberto Francis, sy ireo Sojabe ary Lehiben’ny Sampam-pianarana rehetra.

Ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël dia mametraka ho laharam-pahamehana ny fampandrosoana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny famahana ny fitarainan’ny mpianatra, indrindra fa ny olana momba ny jiro sy ny rano. Noho izany indrindra dia nanome voninahitra ity fotoan-dehibe tao amin’ny Oniversiten’i Toliara ity ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.

Tetsy ankilany dia nanamafy ny fametrahana Oniversite marina sy mahitsy ary maoderina sy mandray andraikitra ny Filohan’ny Oniversite. Ho velomina indray ny ivon-toeram-pikarohana, hatsaraina ny fotodrafitrasa ary hampitomboina ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra tsy miankina.

Nifanindran-dalana tamin'izany ihany koa ny lanonana famoahana ireo mpianatra nahavita fianarana miisa 263. Niarahaba ireo nahazo diplaoma ny Minisitra ary namporisika azy ireo hampitombo ny fahaizana sy ny fahendrena.

Nankalaza ny faha-65 taonany ihany koa ny “Institut Halieutique et des Sciences Marines” (IHSM), izay ivon-toerana manana ny lanjany manokana eo amin'ny fikarohana momba ny ranomasina sy ny harena anaty rano. Nankasitraka ireo rehetra nampijoro sy nitantana izany ny Minisitra ary nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny fankalazana.