Nanatanteraka fihaonana tamin'ireo tompon’andraikitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ao Toliara tao amin’ny Kianja Maître Kira ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa mpisolo toerana, Pr RAVOKATRA Fidiniavo. Nandritra izany no nanatrehany ny fizotran’ny adina ara-panatanjahantena amin’ny Bakalôrea.
Mavitrika ireo mpandray anjara ary mizotra amim-pilaminana amin'ny ankapobeny ny adina ara-panatanjahan-tena izay nanomboka ny Alatsinainy 03 jona teo ho an'i Toliara manokana. Niresaka mivantana sy nankahery azy ireo ny Minisitra mpisolo toerana.
Iarahan’ny Ministera telo misahana ny fanabeazana ( ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa) miaraka amin’ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena ny fanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena amin’ny Bakalôrea 2024.