Tontosa teto amin'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Fiadanana ny 11 Desambra 2025 ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Talen’ny Centre Régional des Œuvres Universitaires d’Antananarivo (CROU-A) vaovao, Andriamatoa ANDRIANTSITOHAINA Tefy Miarintsoa, sy ny Tale teo aloha, Andriamatoa MAMISOA Aina.
Nisaotra manokana ny Fitondram-panjakana nisafidy ny hanome andraikitra ny mpandraharaha an’ny CROU-A amin’ny fitantanana ny Tale vaovao ary nanentana ny rehetra hifanome tanana sy hifanampy sady nanamafy fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa tsy anavahana ny tenany.
Nanatanteraka ny fifamindram-pitantanana ny Talen’ny Kabinetran'ny MESUPRES, Pr RAHERIMANDIMBY Marson. Nanotrona izany ireo mpiara-miasa sy solontenan’ny fikambanan’ny mpianatra rezionaly sy pedagozika.