Nosokafana tamin'ny fotoam-pivavahana lehibe iraisam-pinoana ny fikaonan-doham-pirenena notarihin'ny FFKM (Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana Malagasy) ny 10 Desambra 2025 teny amin'ny CCI Ivato.
Nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblika, Andriamatoa ZAFITASONDRY RANOELSON Marcellin, izay nisolo tena ny Filoham-panjakana.
Tonga nanatrika izany ireo sokajin'olona maro eto amin’ny Firenena, nahitana ireo mpikambana eo anivon'ny Governemanta ka anisan'izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.