Laharam-pahamehana ao anatin’ny Politikan’ny Fitondram-panjakana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampanjakana ny tany tan-dalàna ary ny fitondrana tsara tantana, ka ampiharina amin’ny fomba hentitra ny “tolérance zéro” amin’ny kolikoly.

Ao anatin’izany dia notanterahina nandritra ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena hiadiana amin’ny Kolikoly, natao tao amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny Anosy ny 9 Desambra 2025, teo anatrehan’ireo Mpanolotsaina Avo ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy sy ny Tale Jeneralin’ny BIANCO, Andriamatoa RAZAKAMANANTSOA Gaby Nestor.

Ity fiaraha-miasa ity dia tafiditra ao anatin’ny hetsika FOSIKA, tanterahin’ny MESupReS miaraka amin’ny BIANCO, hiadiana amin’ny diplaoma sandoka, ny herisetra sy tsy fanarahan-dalàna eny amin’ny Anjerimanontolo, ary ny endrika rehetra manimba ny fitokisana sy ny maha-ara-dalàna ny rafitra akademika.

Nohamafisin’ny Minisitra nandritra ny fandraisany fitenenana fa dingana manan-tantara eo amin’ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa izany ary vonona hiara-hiasa amin’ny mpiara-miombon’antoka rehetra mitovy vina sy tanjona aminy ny Ministera mba hahafahana mamerina ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny sehatra akademika mendrika.

Nisy ny fanambaram-pananana faobe ho an’ny Minisitera maro, natao nandritra ny lanonana,ho fanamafisana ny fangaraharana sy ny fandraisana andraikitra eo amin'ny fitantanana ny raharaham-panjakana.

Notokanana ihany koa ny Birao fandraisana fitarainana sy fanomezana torohevitra ao amin’ny BIANCO eny Anosy.

Nomena lanja manokana ny tanora tamin’ity fankalazana mitondra ny lohahevitra hoe : “Hiara-misalahy amin’ny tanora hiady amin’ny kolikoly : hanefy ny fahitsiana ho an’ny ampitso”, ity amin’ny maha andraikitra iombonan’ny rehetra ny ady amin’ny kolikoly.