Notanterahina teto amin'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny 8 desambra 2025, ny fivoriana nampitain-davitra teo amin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, sy ireo solontenan’ny manampahefana Britanika ary Oniversite Britanika.
Fivoriana nahafahan'ny roa-tonta nanamafy ny fahavononana hiroso amin'ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra marolafy toy ny fifanakalozana mpianatra sy mpampianatra ary ny fampiroboroboana ny sehatry ny fikarohana.
Ny tanjona dia ny fanaovana sonia Memorandum of Understanding na fifanarahana lasitra iraisana mba hahafahana manomboka ny hetsika iombonana voalohany ao anatin’ny MG-UK Partnership, miaraka amin’ireo Oniversite sangany any Grande-Bretagne toy ny Durham University, Homerton College Cambridge, London School of Economics and Political Science na koa ny University of East London.
Kendren’ny fiaraha-miasa ny hanokatra bebe kokoa ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana amin’ny tontolo miteny anglisy sy hampitombo ny fifaninanana iraisam-pirenena ary hanatsara ny fahafahan’ny tanora Malagasy miditra amin’ny sehatry ny asa.
Nitarika ny fivoriana ny Minisitra sy ny Ambasadaoro Britanika eto Madagasikara, nanatrika kosa teo ankilany ny solontenan’ny Ministeran’ny Varotra sy ny Indostria ao Royaume-Uni, ny British Council, ny BUILA (British Universities' International Liaison Association), ny Oniversite Britanika, ny mpiara-miasa ara-teknika amin’ny MESUPRES (SPARKSO) sy ireo mpikambana amin'ny STAFF ny MESUPRES.