𝑀𝑖𝑎𝑧𝑎𝑘𝑎𝑧𝑎𝑘𝑎 𝑛𝑦 𝑎𝑠𝑎 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑣𝑎𝑜𝑧𝑎𝑛𝑎 𝑒𝑛𝑦 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑂𝑛𝑖𝑣𝑒𝑟𝑠𝑖𝑡𝑒 𝑒𝑡𝑜 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎.
Ny 6 desambra 2025, nitsidika teny Ambohitsaina, Oniversiten’Antananarivo ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël, niaraka tamin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta. Fotoana nijerena an' Ambohitsaina mirehitra jiro, izay manaporofo ny fidirana amin'ny fahaleovantena ara‑angovo eny amin’ny Oniversite. Nanolotra solosaina “ordinateur conditionné” miisa 100 novokarin’ny manam-pahaizana Malagasy, ho fanohanana ny fandrosoana ara-teknolojia sy ny fikarohana ho an’ny Oniversiten’Antananarivo ihany koa ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara nandritra ny fitsidihana.
Tsy ho an'ny Oniversiten'Antananarivo irery ihany fa ireo Oniversite eto Madagasikara dia misitraka ireo "panneaux solaires", "batteries" ary "appareils modulaires". Natao laharam-pahamehana ny efitrano fianarana, ny laboratoara ary ny birao fitantanana. Ankoatra izany, napetraka ihany koa ny "lampadaires" sy ny "caméra de surveillance", izay manampy amin’ny fiarovana sy ny filaminana. Midika izany fa na dia misy fahatapahan-jiro aza dia afaka manohy ny asa am-pilaminana ny Oniversite, na amin’ny sehatry ny fampianarana na amin’ny fitantanana.
Ny ezaka lehibe ataon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, dia mikendry ny hanatratra ny "transition énergétique" sy hialana amin’ny delestazy lavareny. Misitraka izany avokoa ny Oniversite manerana ny Nosy, araka ny filan’ny tsirairay.
Ambohitsaina mirehi-jiro, manao dingana makany amin'ny fandrosoana sy ny fahavitan-tena amin'ny lafiny angovo. Tsy tokony ho feran'ny olan'ny jiro ny fianarana sy ny fikarohana eto Madagasikara.