𝑀𝑎ℎ𝑎𝑙𝑒𝑜𝑡𝑒𝑛𝑎 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑒𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑎𝑛𝑘𝑒ℎ𝑖𝑡𝑟𝑖𝑛𝑦 𝑛𝑦 𝑂𝑛𝑖𝑣𝑒𝑟𝑠𝑖𝑡𝑒𝑛’𝑖 𝑉𝑎𝑘𝑖𝑛𝑎𝑛𝑘𝑎𝑟𝑎𝑡𝑟𝑎.
Notanterahina ny 5 Desambra 2025 ny lanonam-pitokanana ofisialy, teo ambany fiahian’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, izay nosoloin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy tena.
Nisaotra manokana ny Fitondram-panjakana ny Minisitra noho ny fametrahana ho vaindohan-draharaha ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eny amin’ny Anjerimanontolo. Tafiditra amin’izany ny famahana ny olan’ny jiro sy ny rano, ny fampitaovana sy ny fanomezana fampiofanana ireo mpampianatra, ary tsy ho latsa-danja amin’izany ny Oniversiten’i Vakinankaratra izay miroso amin’ny fanavaozana sy fanatsarana hatrany.
Misy sekoly efatra (04) mandrafitra ny Oniversiten’i Vakinankaratra, ary mifanaraka amin’ny filàn’ny faritra sy ny toekarena ny lalam-piofanana ao, toy ny : Génie rurale, agriculture et élevage, Génie industriel, Automatisme et informatique, Électronique et télécommunication, Génie civil, Architecture et paysagisme, Environnement, Génie minier, Gestion et économie.
Zava-dehibe ho an’ny Faritra ny fisian’ity Oniversite ity, indrindra amin’ny fanomezana sehatra hianaran'ireo tanora vao afa-panadinana bakalorea izay maniry hanohy fianarana amin’ny ambaratonga ambony sady mampihena ny fandaniana, ary manome fahafahana mitombo sy mivelatra ao an-toerana.
Efa azo alaina ao amin’ny Oniversite ao Antsirabe ny diplaoma ankehitriny raha nalaina tany amin’ny Oniversiten’Antananarivo izany teo aloha, hanana ny tetibolany manokana ihany koa izy ireo araka ny nambaran’ny Filohan’ny Oniversite , Dr ANTSONANTENAINARIVONY Ononamandimby.