Taorian’ny Kongresy faha-5 tany Chine, nahazoan’i Madagasikara faritra biosfera vaovao roa (Tsimembo sy Mantadia), dia natolotry ny UNESCO tamin’ny fomba ofisialy teto Antananarivo ny taratasy fanamarihana izany, ny 03 Desambra 2025.
Tonga nanatrika ny lanonana niaraka tamin'ny Komity MAB UNESCO Madagasikara, ny Tale Jeneralin’ny Fikarohana Ara-tsiansa eto amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RANARIJAONA Hery Lisy Tiana sy ny tale Jeneralin'ny Madagascar National Park, izay samy nandray anjara mavitrika tamin’ny fanatanterahana sy fanamafisana ny andraikitra ara-tsiansa sy ara-pitantanana.
Nanterina manokana ny fiarahabana ho an’i Pr Lily Arison René De Roland, mpitantana ny faritra biosfera Tsimembo, sy ny solontenan’ny mpitantana ny biosfera Mantadia izay nisoloan’ny fikambanana Écovision tena.
Ny UNESCO, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny MESUPRES sy ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), dia manome hasina ny fikarohana sy ny olombelona, ary mampandray andraikitra ny rafitra rehetra amin’ny fiarovana ny harena voajanahary. Ity fiaraha-miasa telo tonta (UNESCO – MESUPRES – MEDD) ity no mahamasanahandro sy mampatanjaka ny ezaka iombonana ho an’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana maharitra.