Ny sehatra nomerika eto Madagasikara dia ahitana asa manodidina ny 30 000, saingy 4000 monja ny mpianatra mivoaka isan-taona amin’ity lalam-piofanana ity.

Nanosika ny mpisehatra samihafa hifampidinika sy hamolavola paikady hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny asa mifanaraka amin’ny filàn’ny tsena izany elanelana izany.

Ny 2 desambra 2025, nivory teto Fiadanana, ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), ireo lehiben’ny sampam-pianarana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana mampiofana momba ny nomerika, ny solontenan’ireo opérateurs téléphoniques sy mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika.

Nifantoka tamin’ny fivoaran’ny lalam-piofanana sy ny paikady hanamafisana ny fahaiza-manao matihanina ny adihevitra.

Nampahafantarina fa miray lalana ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony sy ny fampanan’asa ho an’ny tanora amin’ny alalan’ilay tetikasa “Choose Digital Madagascar”, notontosain’ny GOTICOM sy ny MNDPT izay mifandray amin’ny mari-pamantarana “Excelia” ary manome antoka ny hatsaran’ny nomerika.

Nitarika ity atrikasa ity ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony, Dr BEHAJA Alan Basile.