Bakalôrea tsy misy tomika, io no fanamby napetraky ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ho an’ny fanadinam-panjakana Bakalôrea 2024. Nanatanteraka fitsirihana ifotony, nijery ny fizotran’ny fanomanana izany fanadinam-panjakana izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-tsiansa mpisolo toerana, Pr RAVOKATRA Fidiniavo, ny 04 Jona 2024.
Manomana sy mitsinjara ireo valopy asiana ireo laza adina ho an’ny taranja tsirairay isaka ny efitranom-panadinana manerana an’i Madagasikara ny eto anivon’ny Ministera ankehitriny. Zava-dehibe ny fifanomezan-tanana sy fanarahana toromarika hisorohana ny tsy fahatomobanana ka nitondra fanatsara eo aminy lafiny fomba fiasa ny Minisitra mpisolo toerana toy ny fanatobiana nomerika. Valopy manodidina ny 100.000 eo no enjehina mandritra ny fotoam-panomanana. Tsiahivina fa efa nanomboka 11 mey lasa teo ny adina ara-panatanjahantena Bakalôrea 2024.