Nametraka fanontaniana tamin'ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta tarihan'ny Praiminisitra RAJAONARIVELO Herintsalama ireo Loholona, ny 2 desambra 2025, ka namaly izay manandrify azy ny Minisitry Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.

Nasongadiny nandritra ny fandraisany fitenenana fa ao anatin'ny politikan'ny fanavaozana dia miezaka mametraka ny “excellence universitaire” ny Ministera ary ho ezahana hatao fifaninanana avokoa izay azo atao hampakarana ny laharan’ ny Oniversite sy ny kalitaon'ny fampianarana ambony.

Manome lanja manokana ny fikarohana ihany koa ny Ministera ary efa maro ireo voka-pikarohana azo ampiasaina amin'ny fampandrosoana ny Firenena.

Ankoatra izay dia mpiara-miombon’antoka sy Oniversite avy any Ivelany maro no miara-miasa amin’ny Ministera amin’ny famaliana ny filan'ny mpianatra sy ny fampananan’asa ny tanora.

Voalazan'ny Minisitra ihany koa fa ny fiaraha-miombon'antokan'ny Minisitera amin'ny sehatra tsy miankina dia manampy amin'ny fitadiavana asa ho an'ny mpianatra nahavita fianarana.

Mikasika ny fotodrafitrasa dia efa miroso amin'ny fanatsarana sy fanavaozana eny amin’ny Anjerimanontolo ny Ministera, ary misy ny fotodrafitrasa efa azo tokanana izay miankina amin’ny Oniversite ny fitokanana azy.

Nitondran'ny Minisitra fanazavana ihany koa ny mikasika ireo mpampianatra an-tselika sy ny vahaolana ho entin'ny Fitondram-panjakana momba azy ireo.