Noraisin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy teto Fiadanana ny delegasiona avy amin’ny Agence Française de Développement (AFD) notarihan'ny Filoha Lefitra, Andriamatoa Florian Mugnier.
Vonona hanamafy ny fiaraha-miasa efa nisy ny roa tonta. Hiara-hiasa akaiky amin’ny Ministera hanantanteraka Tetikasa marolafy ny AFD ary anisan'izany ny fanarenana ny trano fonenan’ny mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo.
Nantitranterin'ny Minisitra fa misokatra hatrany amin'ny mpiara-miombon’antoka samihafa ny Ministera amin’ny fanavaozana sy fanarenana mitondra fanatsarana amin'ny kalitaon'ny fiainan’ny mpianatra.