Dingana lehibe ao anatin'ny politikan' ny fanarenana ataon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara tarihan'Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël ny famerenana ny fahatokisan'ny besinimaro ny kalitao sy ny hasin'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Manamafy izany ny fanomezan'ny Fitondram-panjakana lanja ny “Opération FOSIKA”, izay fiaraha-mientana hiantohana sy hanamafisana ny mangarahara, ny ady amin'ny kolikoly sy ny fahalovana eto amin’ny Firenena.
Notanterahina teto amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Tsimbazaza Fiadanana, ny 1 desambra 2025, ny lanonana fampahafantarana amin'ny fomba ofisialy ny hetsika FOSIKA.
Nanokatra ny hetsika ny Mpanolon-tsaina Avo eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Kolonely ZAFITASONDRY Marcellin niaraka tamin'ny Kolonely RAMPANARIVO Thierry sy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, notronin'ireo solontenan'ny mpikambana ao amin'ny Governemanta, ny solontenan'ny Antenieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona, ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministera sy ireo Filohan'ny Oniversite ary mpisehatra maro avy amin'ny Oniversite miankina sy tsy miankina eto Madagasikara.
Ity no sehatra fanabeazana sy fanadiovana ahafahana mitoroka ireo diplaoma sandoka, endrika kolikoly amin'ny fandraisana mpiasa, fanokafana lalam-piofanana tsy ara-dalàna, sy ireo trangana herisetra eny anivon'ny Anjerimanontolo.
Niantso ny rehetra ny Fitondram-panjakana sy ny Minisitra tsy hatahotra sy tsy hisalasala hitoroka raha mahita tranga hafahafa ho fandraisana andraikitra amin'ny fanarenana ny Firenena. Hampiharina avy hatrany ny sazy ho an'ireo izay tratra mandika lalàna ary mety hiafara amin’ny fanafoanana ny sampam-pianarana sy fanesorana ny diplaoma.
Maharitra enim-bolana (6) ity hetsika ity. Mitarika izany ny Direction de l’Accréditation et de l’Assurance Qualités (DAAQ) sy ny Mpandrindra ny Ady amin'ny Kolikoly (CAC) eto amin'ny MESUPRES ary iarahana miasa amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (BIANCO).
Nampahafantarin'ny Pr RAHERINIRINA Angelo (DAAQ), nandritra ity lanonana ity ny plateforme FOSIKA https://fosika.mesupres.edu.mg/ izay ahafahana manatanteraka ny fitorohana ataon'ny rehetra na manana porofo na tsia.