Ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara amin'ny alalan'ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa dia manohana hatrany ny fiaraha-miasa izay miantoka ny fanatsarana ny fiainan'ny mpianatra ny mpampianatra sy ny mpandraharaha.
Porofon'izany ny fanavaozana ity ivon-toeram-pitsaboana sosialy sy fitsaboana hoan’ny reny sy ny zaza ( CMS-ME) eny amin'ny Anjerimanontolo Ankatso ity izay vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny Oniversite sy ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina.
Nitokana tamin’ny fomba ofisialy izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy sy ny Masoivohon'ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina eto Madagasikara, Andriamatoa Ji PING ary ny Filohan'ny Oniversiten’Antananarivo, Pr RANDRIANASOLO Rivoarison, ny voalohan'ny volana desambra 2025.
Niaraka tamin'izany dia nanolotra fampitaovana ihany koa i Sina ary ankoatra ity ivon-toeram-pitsaboana sosialy ity dia hihitatra ho lasa toeram-pitsaboana ho an'ny reny sy ny zaza ihany koa ity toerana ity hitsinjovana ny fanatsarana ny kalitaon'ny fiainana ara-pahasalaman'ireo mpampianatra, mpianatra ary mpandraharaha.