Hetsika maromaro no miandry ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-tsiansa amin'ity volana Desambra ity hoy ny Sekretera Jeneraly, Pr SALAVA Julien, raha nitarika ny Fananganan-Tsaina ny 01 desambra 2025.

Misongadina amin'izany ny lanonana ofisialy fanombohana sy fampahafantarana ny “plateforme FOSIKA”, iadiana amin' ireo hosoka akademika, herisetra sy fanararaotana ara-pananahana eny anivon'ny Anjerimanontolo.

Hotokanana tsy hoela ireo Oniversite ao Vakinakaratra sy Itasy.

Nanentana ny rehetra ny famelomana ny sosialy eto amin’ny MESUPRES ihany koa ny Sekretera Jeneraly.

Mirary herinandro mahafinaritra ho antsika rehetra.