Ivon’ny politika sy ny asa fanavaozan’ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny fanohanana ny mpianatra.

Nanolotra amin'ny fomba ofisialy ireo "panneaux solaires" ho an’ny Oniversiten’i Toamasina avy amin’ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa RANDRIANIRINA Michaël, ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy nandritra ny fandalovany tao Barikadimy ny 28 novambra 2025. Ireo fitaovana ireo dia natao hamahana ny olan’ny jiro, hanomezana fahazavana ary hanamora ny fianarana. Tafapetraka ihany koa ny "forage" izay hanampy amin’ny famatsiana rano.

Natolotra ihany koa ireo fitaovana vaovao sady raitra azo tamin’ny alalan’ny Fonds Commun de l’Éducation (FCE) izay vatsian’ny AFD, UNICEF, Union Européenne ary Global Partnership for Education vola, mikendry ny hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony.

Ankoatra izany, ny Ministera dia miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanarenana ny fotodrafitrasa. Anisan’ny nisongadina ny asa fanavaozana ny efitrano lehibe toy ny Dojo, Amphi Bleu ary Grand Amphi. Vinavinaina haharitra telo volana ny asa araka ny tomban’ny orinasa mpanantanteraka. Nitsidika ny fizotry ny fanamboarana ny trano fonenan’ny mpianatra Bâtiment R+1 ihany koa ny Minisitra.

Nandritra io fotoana io ihany koa dia notokanana ireo toeram-piofanana nohavaozina, toy ny Biraon’ny FOAD – ENS SEAS sy ny École Normale Supérieure (ENS) de Toamasina.