Ny 28 novambra 2025, nitodidoha tao amin'ny Oniversiten’i Toamasina ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, nidina ifotony sy nitokana fotodrafitrasa maro.

Tao anatin’ny fandaharam-potoana dia notanterahina ny famerenana amin’ny laoniny ny onjam-peon’ny “Radio Université Toamasina” 91.4 FM, izay nijoro hatramin’ny 1999 ary manana anjara toerana lehibe amin’ny fanabeazana sy ny fampiroboroboana ny fitenin’ny faritra. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitra, niaraka tamin’ireo manam-pahefana maro.

Notokanana ihany koa ny toeram-piofanana “Gestion Portuaire Logistique” (GPL) tao amin’ny SMMC Ampasimazava ao amin’ny tranoben’ny ex-CNAM. Amin'ny maha seranan-tsambo lehibe indrindra eto Madagasikara an'i Toamasina dia nohavaozina ity toeram-piofanana ity mba hahafahana manatsara ny fiofanana sy hanomezana ainga vaovao eo amin’ny sehatry ny GPL. Natsangana tamin’ny taona 2022 ity lalam-piofanana ity izay mifandray amin'ny Oniversiten’i Toamasina ary manome fiofanana hatramin’ny Licence sy Master ho an’ny mpianatra.