Nizotra am-pilaminana araka ny tetiandro navoakan’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny fizarana vatsim-pianarana ho an’ny volana faha-fito sy faha-valo, izay natomboka ny 28 novambra 2025.
Ho an’Antananarivo, ny Sekoly Ambony Polyteknika Antananarivo – ESPA Vontovorona no nisantarana ny fizarana.
Izao no tanteraka dia vokatry ny fiaraha-mientana teo amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESupReS), ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), ary Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF).
Marihina fa efa navoaka ihany koa ny tetiandro momba ny fizarana vatsim-pianarana volana faha-sivy, izay hanomboka ny 15 desambra 2025.