Tontosa ny 27 Novambra 2025 tao amin’ny Radisson Blu Ambodivona, ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny masomboly vaovao MINA sy MANANA, vokatra avy amin’ny tetikasa APEMBA novolavolain’ny mpikaroka tao amin’ny FOFIFA, eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) sy ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE) , ary niaraha-niasa tamin’ny Global Collaboration on Sorghum & Millet ao amin’ny Kansas State University.

Fandresena lehibe ary fanehoana ny fahaiza-manaon'ny mpikaroka Malagasy izany, hoy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, nandritra ny lahateny fanokafana ny lanonana. Nohamafisiny fa hanohy hatrany ny fanohanana ny fikarohana amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, ny fanohanana ireo mpikaroka, ary ny fampiroboroboana ny haivao sy ny fanavaozana ny Ministera.

Ity fiaraha-miasa ity dia manamafy ny famokarana ary mampiroborobo ny fambolena maharitra, ho fanatanterahana ny fanavaozana sy fikarohana ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara.