Manoloana ny fahasimbana mitombo vokatry ny faharatsian’ny fotodrafitrasa eny amin’ny Oniversite, vaindohan-draharahan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ny fanatsarana sy fanomezana lanja ny kalitaon'ny fiainan’ny mpianatra, izay fototra iorenan’ny fandrosoana maharitra.

Ny 27 Novambra 2025, tontosa tao amin'ny Atelier Luban teny amin’ny Sekoly Ambony Polyteknika Antananarivo Vontovorona (ESPA) ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr. RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, sy ny Tale Jeneralin’ny Fondation VISEO, Andriamatoa Moustafa HIRIDJEE.

Efa nandray anjara tamin’ny fanarenana sekoly maro ny Fondation VISEO ary vonona hanohana ara-bola ny fanarenana sy fanavaozana ny Oniversiten’Antananarivo sy Toamasina. Hisy mpiara-miombon'antoka maro ihany koa hiara-hiasa amin'ny Ministera amin’ny fanatsarana ny Oniversite hafa.

Nanatrika ny lanonana ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, ny solontenan’ny Oniversiten’i Toamasina, ny Talen’ny CROU-A sy ireo solontenan’ny mpianatra.