Ho hanafainganana ny fikarakarana ireo antontan-taratasin'ny mpiasa rehetra eto amin'ny Ministeran’ Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, na ny Mpampianatra/Mpikaroka na ny PAT, dia nametraka ny toerana famahana raharaha tokana na "Guichet Unique" ny MESupReS ny 26 novambra 2025.
Niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana izany ny avy ao amin'ny Fitaleavana Fikarakarana ny Mahaolona (DRH), ny solontenan'ny Minisiteran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola (MEF), ary ny Contrôle Financier.
Tonga nijery akaiky ny fizotry ny asa ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.