Natao teto amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Fiadanana ny 25 Novambra 2025 ny famelabelarana momba ny vokatra azo avy amin’ny fanadihadiana ny “Système d’Information pour la Gestion de l’Éducation” (SIGE) eto amin’ny MESUPRES.

Nitarika izany ny Tale Jeneralin'ny Fampianarana Ambony, Dr BEHAJA Alan Basile.

Tanjona ny fanatsarana sy fanavaozana ny rafitra angon-drakitra eto amin'ny Ministera ho fototra iorenan’ny fanapahan-kevitra stratejika sy ny fitantanana mangarahara.

EMIS-PATT no fitaovana nampiasaina nandritra ny fanadihadiana. Niara-niasa tamin’ny ekipa teknikan'ny MESUPRES tamin’ny fanatanterahana izany ny UNESCO nanomboka ny volana jiona 2025.

Dingana manaraka ny fanetsehana ny famatsiam-bola hanatanterahana ireo soso-kevitra sy tolo-kevitra hanamafisana ny rafitra ho fanatrarana ny fanovàna nomerika amin’ny sehatry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa eto Madagasikara.